- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Manana “pepinière” manokana ny faritra

Vakinankaratra : Manana “pepinière” manokana ny faritra

Manana ny tanin-janakazony manokana koa ankehitriny ny faritra vakinankaratra. Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa amin’ny ONG “Graine de vie” . Zanakazo 20 000 fototra no efa novokaran’ny faritra ankehitriny. Misy karazany 12 izy ireo ary efa tonga eo amin’ny fotoana tokony hambolena azy ireo zanakazo ireo amin’izao fotoana. Fotoanan’ny fambolen-kazo rahateo amin’izao ka mifanojo tsara amin’ny filana izany. Marihina fa santatry ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ity hetsika ity ka anjaran’ny faritra no manaparitaka ireo zana-kazo ireo ho an’izay mila izany. Ny kaominina Behenjy izao no voalaza fa efa naka zanakazo 500 fototra ary misy taratasy fifanekana ho an’izay maka ireo zanakazo ireo. Tanjon’ity “pepinière”-n’ny  faritra ity ny fijerevana lavitra noho ny fiovaovan’ny toe-trandro  sy ny tontolo iainana, ka mba hiadiavana izany sy ho an’ny taranaka any aoriana.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici