Ankoatra ny maha sekoly mpitaiza sy mamolavola ireo ankizy mba tsy hiroana amin’ny zava maha domelina dia isan’ny tanjon’ny ERVAMA “Ecole de Rugby Vakinankaratra Mazana” ny hamelo maso indray ny taranja baolina lavalava izay hita fa miha lefy ny lanjany eto Vakinankaratra.
Ankizy lahy sy vavy miisa 60 isa, miaraka amin’ny mpampiofana dimy no mandrafitra ny ERVAMA amin’izao fanokana azy izao, mbola hitombo io raha ny fanazavana voaray; eny amin’ny centre Fihavanana Tsarasoatra no misy ny foiben’ny ERVAMA.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny datin’ny 2 Martsa 2025 lasa teo ny sekoly ERVAMA, ny tale teknika avy amin’ny federasiona lalao baolina lavalava Randrianorosa Antsoniandro no nitarika ireo delegasiona avy ao Antananarivo nandritra ny fanokafana ity sekoly ity. Mahavelom-bolo ny fisian’ny sekoly tahaka itony hoy ny avy ao amin’ny federasiona satria hanatsara ny lentan’ny Rugby Malagasy izay efa manakoako any ivelany ny lazany amin’izao.
Taorian’ny lalaom-panokafana dia nisy ny lalao ara piralahiana niadiana amboara izay nifanandrinan’ny CEA Andranomanalina Antananarivo sy ny XV Combrage Antsirabe, ity farany no nahazo ny amboara raha toa nitondra ondry nody kosa ny CEA Andranomanalina.
Andry N.