“ Izay mamboly hazo manome aina” io no lohahevitra nentina nandritra ny fambolen-kazo notontosan’ny DREN Vakinankaratra izay natao teny amin’ny CEG Ambilombe sy EPP Sahatsara CISCO Antsirabe I ny datin’ny 6 Febroary 2026 lasa teo. Karazana zanakazo miisa 500 fototra no novolena, saika tazana teny an-toerana avokoa ireo fianakaviam-ben’ny fanabezam-pirenena toy ny CISCO, ny DIDEC, ny DR Aile notronin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny faritra Vakinankaratra.
Nanolotra zava-pisotro ho an’ireo mpandray anjara rehetra kosa ny Madalief. Notohizana tamin’ny lalao ara-panatanjahantena ny fotoana taorian’ny fambolen-kazo.
Andry N.




