- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Tafapetraka ny governoran'ny faritra

Vakinankaratra : Tafapetraka ny governoran’ny faritra

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy amin’ny  maha governoran’ny faritra Vakinankaratra azy  Atoa VyVato Rakotovao , nyTalata 3 Martsalasateo. Teo amin’ny zaridain’ny faritra no nanatontosana ny lanonana  ara- panjakana ; izay notarihan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Nanombohana ny fotoana ny fanaovan-tsonia ny famindran-draharaha teo amin’ny filohan’ny faritra mpisolo toerana  sy ny governora hitantana ny faritra, natrehana minisitra telo mirahalahy sy ireo tale jeneraly avy ami’ny fiadidiana ny Repoblika io fanaovan-tsonia io.  Nanehony fahavonona ny hampandroso an’i Vakinankaratra ny governora VyVato, nanome toky izy fa hitondra  fahazavana ho an’ny faritra .Namafisiny tamin’ny fandraisam-pitenenany  izay nilazany fa  » ny biraon’ny faritra dia ho vatalehibe ho an’ny tolo-tsaina sytolo-kevitra hoentina miara-miantsoroka ny fampandrosoana.  Ho milina lehibe fanodidina ireo tetikasa mba hivaingana. »

RahaTsiahivina, 11 volana no nitondran’ny lehiben’ny faritra mpisolotoerana, na fampandehan-draharaha aza no tena niandraketany dia niezaka nampihodina ny faritra izy ary nijery manokana ny fandaminana anatiny sy ny tetibola isan-tsokajiny mba hanamora ny fandraisan’ny governora vaovao notendren’ny fanjakana foibe.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici