- Publicité -
lundi, septembre 21, 2026
- Publicité -
AccueilÀ lireVakinankartra :  Nijery manokana ny tomboantsoan’ireo tantsaha ny filohan’ny fanavaozana

Vakinankartra :  Nijery manokana ny tomboantsoan’ireo tantsaha ny filohan’ny fanavaozana

Tafiditra anaty politikan’ny fitondrana fanavaozana ankehitriny ny tetikasam-pirenena ho fampandrosoana ny voly vary eto Madagasikara, mba hanan’ny firenena fahaleovan-tena ara tsakafo sy fanatsarana ny sehatry ny fambolena. Tonga teto Antsirabe ny filohan’ny fanavaozana ny faran’ny herinandro teo, notrono’ireo mpiara miasa aminy sy minisitra maromaro nanolotra fitaovana enti-mamokatra ho amin’ny sehatry ny fambolena. Anisan’ny sehatra hiankinan’ny toe-karena eto amin’ny Nosy ny fambolena izay mitondra 28 % amin’ny harinkarena faobe ary mampiasa 78%  amin’ny mponina miasa araky ny antotanisa voaray. Ny vary, sakafo fototra dia mitondra 12% amin’ny harinkarena faobe. Manoloana ny filana misy eto amin’ny firenena, dia nanolotra traktera miisa 11 ho an’ny CFFAMA ny fanjakana miaraka amina fitaovana maromaro, ireo fitaovana ireo dia natao hampitomboana ny velaran-tany azo hiasana hoy ny filohan’ny fanavaozana Ny kolonely Michael Randrianirina ary hampihena ny asa mavesatra ataon’ny tantsaha. Ankoatra izay dia hisy ny fizarana bisikileta miisa 200 isa, kitapo fibaby 200  ho an’ireo tantsaha mampita (Paysans Relais) manerana ny distrika 7 mandrafitra ny faritra Vakinankaratra. Fantatra fa mbola hisy ihany koa ny labasy 60 isa avy amin’ny PAM, homena ireo fikambanana tantsaha ao amin’ny distrika Antsirabe II.Ho an’ Antsirabe I kosa, Tantsaha tsy latsaky 216 no hisitraka fanohanana ara- pamokarana ahitana zezika organika 4000 kg, NPK 800kg , masomboly vary X265 milanja 320 kg, masomboly katsaka IRAT200 milanja 220kg. Izany no hatao dia  hanatsarana ny fidirambolan’ny tantsaha sy fanamafisana ny fiaraha miasa amin’ny sehatra tsy miankina.

Andry N.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici