- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversVaky fasana sy halatra taonam-paty tao Brickaville : Voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty i...

Vaky fasana sy halatra taonam-paty tao Brickaville : Voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafaty i Tino Joseph sy Bea Christophe

Hentitra ny fitsarana ady heloka bevava teo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, mikasika ity raharaha vaky fasana sy halatra taolam-paty nitranga tao Ambodirotra, fokontany Ambalahasina, kaominina Ambinaninony Brickaville. Tsy nisalasala ny mpitsara sy ireo mpitsara mpanampy namoaka didy an-tranomaizina, asa an-terivozona mandra-pahafaty, ho an’ireto roa lahy voarohirohy tamin’ny fanimbazimbana fasana sy halatra taolam-paty, dia Ingahy Tino Joseph sy Ingahy Bea Christophe.

Notsaraina teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava andiany faharoa teto Toamasina ny raharaha, izay nitondra ny laharana 90-Toa/21-2883-RP/20. Nafana ny ady hevitra teo amin’ireo voampanga niisa efatra, sy ny mpisolovava azy roa lahy, ary ny fampanoavana sy ny mpitsara niaraka tamin’ireo mpitsara mpanampy efatra. Nandritra izay no nahalalana fa efa nifona tany amin’ny fanadihadiana nataon’ny sefo fokontany sy ny zandary tao Brickaville, ireo voarohirohy nandritra ny fakana am-bavany azy tamin’izay Ingahy isany Tino Joseph sy Bea Christophe. Ny olana nandritra izany dia ny fandavan’izy ireo rehefa tonga teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ny heloka vitany rehetra, nefa raha niakatra fitsarana izany dia niaiky indray ary nangataka famotsoran-keloka.

Vokatr’izany dia tsy nisalasala ny mpitsara mpamoaka didy sy ireo mpitsara mpanampy efatra miaraka aminy fa saziana an-tranomaizina asa an-terivozona mandra-pahafaty Ingahy Tino sy Ingahy Bea. Noafahana noho ny fisalasalana kosa ireo naman’izy ireo roa lahy. Raha iverenana ny raharaha dia taolam-paty fen’olona no nentin’izy ireo tao anaty gony tratran’ny fokonolona avy nandevina. Ity izany ny sazy faratampony navoakan’ny fitsarana ady heloka bevava andiany faharoa Toamasina hatreto.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici