- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversVaky trano tao amin’ny Cite Platon : Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra ilay...

Vaky trano tao amin’ny Cite Platon : Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra ilay Karàna tompon-trano

Mbola tsy misy mangirana hatramin’izao ny mikasika ilay raharaha vaky tranona Karàna nitranga tetsy amin’ny Cité Platon, Ampahibe, ka nahaverezana fiara Mazda BT50 pick up miloko « gris » mitondra ny laharana 6979 TBD tamin’ny 12 aprily lasa teo. Misafotofoto tanteraka ny momba ilay mpamily antsoina hoe Ramanantsialaza Patrick na Tita mpiasan’ity Karàna ity, izay nanatanteraka ity asa ratsy ity ka mbola karohina hatramin’izao. Na izany aza, toa mitombona ihany ny filazana avy amin’ny polisim-pirenena izay miandraikitra ny raharaha fa olona efa mpamerin-keloka ity ahiahiana ho nahavanon-doza ity raha araka ny vaovao farany azon’ilay Karàna niharan’ny halatra. Nambarany fa efa nisy fianakaviany iray nanaovan’ity mpamily ity toy izao ihany koa tamin’ny taona 2013. Niasa tao io lehilahy io, ary novakiany ny trano. Avy eo dia tsy hita intsony izay najavonany. Nitantara izany taminy io fianakaviany io, hoy izy, rehefa nahita ny filazalazana ny momba ity lehilahy karohina ity.

Tsiahivina fa ankoatra ilay fiara Mazda BT50, izay mitondra ny nomerao motera 1393254 sy nomera chassis 938946, antontan-taratasy maro mahakasika ity Karàna ity sy entana sarobidy vitsivitsy ihany koa no very tamin’io halatra io. Isan’izany ny Taratasy fahazoana mitondra fiarakodia (Permis de conduire), Taratasy marim-pankasitrahana maha tera-tany Malagasy sy Frantsay (Certificat de nationalité), bokim-pianakaviana (Livret de famille), Kopian’ny soram-piankohonana sy fanambadiana (Acte de naissance, Acte de mariage), ary Diplaoma sy taratasy maromaro amin’ny anaran’i ARIFHOUSSEN sy NAOUCHADALY.

Miangavy ny fiaraha-miasa avy amin’ny rehetra noho izany ity Karàna ity mba hiantso ny laharana 034 19 566 48 raha sendra mahita ny iray amin’ireo zavatra voatanisa etsy ambony ireo, indrindra fa ireo antonta-taratasy. Nomarihiny fa hisy ny valisoa homena amin’izany ary tsy hisy arakaraka sy ho tsiambaratelo tanteraka izay vaovao azo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici