
Tranga vaky trano hafakely no niseho tetsy Loharanombato Faliarivo, kaominina Ambavahaditokana Itaosy, ny faramparan’ny volana lasa teo. Tsy vitan’ny hoe efa avy naka izay tsy azy tao amin’ilay tokantrano ireo olon-dratsy fa mbola nahavita nametraka taratasy fandrahonana ireo tompon-trano ihany koa, tsy hampandre na iza na iza. Vao mainka anefa nanosika ny lasibatra hampilaza ny pôlisy izany… Ny 24 aprily lasa teo no nitranga ity vaky trano ity, rehefa tsy tao an-toerana ny tompon-trano. Somary nahazendana ireo lasibatra ihany, satria dia tanana misy mpiambina ilay izy. Ary voalaza fa tsy vao sambany ny tranga tahaka io, saingy tamin’ity indray mitoraka ity no niampy ilay taratasy fandrahonana. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny pôlisy tamin’ny fanadihadiana. Mazava ho azy, niantefa avy hatrany tamin’ireo olona akaiky, izay mety ho mahafantatra tsara ilay trano vaky ny famotorana. Tsy niandry ela dia nisy roalahy nohahiahina mafy tamin’izany, izay tsy iza fa olona mpakao amin’io toerana io ihany. Mpiasa sy naman’ny mpiambina tao amin’ilay tokatrano nisy namaky ihany izy ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Niaiky ny heloka nataony rahateo ihany koa izy roalahy ireto tamin’ny fakàna am-bavany azy. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ny raharaha ary dia nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy roalahy ireto, nandray ny valin’asany sy miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Tsy mitsahatra ny mampitandrina sy manentana hatrany moa ny pôlisy mba ho mailo satria tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Tamin’ity tranga ity izao, hoy izy ireo dia « olona atokisana mihitsy no nivadika »…
m.L




