Raha ny sabotsy alina nifoha ny alahady teo ny trangam-pahafatesana voalohany tamin’ity valanaretina covid-19 ity teto amintsika izay niseho teto Toamasina, dia niampy iray indray izany ny alatsinainy hariva tamin’ny nahafaty an’ingahy Ryan Reyes 42 taona tera-tany filipiana mpiasa teo anivon’ny orinasa mpiara-miasa amin’orinasa ambatovy antsoina hoe EPI ny tenany. Raha ny angom-baovao natao dia isan’ireo olona miabo ny covid-19 faraparany tamin’ny fitiliana faobe nataon’ity orinasa ity farany teo ity filipiana maty ity. Ny 11 mai i Ryan Reyes no nahiboka hopitaly tao Ambatovy (ISOS) noho izy nahiana voan’ity covid-19 ity, voamarina izany tamin’ny fitiliana natao taminy taty aoriana (13 mai). Narary mafy izy taty aoriana teo anivon’ny hopitaly ao anatin’ny orinasa ambatovy nitsaboana azy sy misy ireo namany miabo ny coronavirus ihany koa. Efa saika nalefa tany ivelany mihintsy ny alahady teo izy vokatra izany saingy io mbola tavela teto Toamasina tao Ambatovy nitsaboana azy io ihany noho ny fahazoan-dalana ka izao maty omaly hariva izao. Raha ny fanazavan’ireo minisitra mianadahy, minisitry ny harena ambanin’ny tany sy ny minisitry ny mponina, nihatrika ny fanamarinana ny fihibohan’ny mpiasa 150 mbola miasa ao ambatovy ny sabotsy lasa teo, dia nanamarika ireto minisitra ireto fa manaraka ny fenitry ny fihibohana ity orinasa ity, manaraka ihany ny koa ny fifanarahana amin’ny fitsaboana ireo olona voan’ny covid-19 ampiasain’ny fitsaboana Malagasy sy eran-tany ihany koa. Araka ny vaovao farany voaray koa dia mety ho alefa any an-tanindrazany any Filipina ity maty ity, saingy miandry ny fahazoan-dalana mikasika izany izy ireo. Vokatra izay tranga na fahafatesana tamin’ny mpiara-miasa ao ambatovy izao dia manao antso avo amin’ireo mpiasa hatrany ny orinasa ambatovy mba hanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ho fisorohana ny valanaretina.
Malala Didier