- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversValifatin-dahalo : Andrimasom-pokonolona efatra indray maty

Valifatin-dahalo : Andrimasom-pokonolona efatra indray maty

Tsy mitsitsy. Raha basim-borona no azo avy taminn’ny dahalo iray, aina efatra be izao kosa no lasa tamin’ireo andrimasom-pokonolona fantatra anarana hoe « Zazamainty », tany Belobaka.

Ny talata teo no nitrangan’izany tao amin’ny fokontany iray atao hoe Tsaratanana, kaominina Belobaka, distrika Tsiroanomandidy. Raha ny fampitam-boavao azo dia nisy dahalo iray voasambotr’ireo Zazamainty. Dahalo avy amin’ny tanan’Antsisira, ao amin’ny fokontany Anarabe, kaominina Miandrivazo. Nahazoan’ireto andrimasom-pokonolona ireto basim-borona roa ity dahalo tamin’izany. Vokatr’izay anefa, tsy nipetra-mora tamin’izao ireo dahalo, izay inoana fa naman’ity dahalo voasambotra fa nanomana valifaty. Vokany, tonga nanafika ilay tananan’i Tsaratanana, izay nisy ireo Zazamainty, ny andian-dahalo teo amin’ny 25 isa teo. Nisy efatra tamin’ireto mpiady amin’ny dahalo ireto no lavo vokatry ny fifandonana. Tsy nisy moa tamin’io fotoana io omby very na aina nafoy tamin’ireo mponina hafa. Tonga avy hatrany tany an-toerana ireo zandary misahana iny faritra iny, ary nampandrenesina ihany koa ireo toby teny amin’ny manodidina hanao fanakanana ny dian’ireo dahalo. Fa ambonin’izay dia nisy vondron-tafika iombonana ihany koa nalefa any an-toerana hanamafy ireo any an-toerana amin’ny fikarohana ireto dahalo mpamono olona ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici