Omaly alarobia tamin’ny 09 ora no natao ny fanapahana ny naoty nohafahana bakalorea (deliberation) ho an’i Toamasina, izay niarahan’ireo mpampianatra mpitsara ny fanadinana sy ny teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Tapaka tamin’izany raha ny angom-baovao natao fa 09,75/20 no noraisina ho afaka bakalorea ho an’i Toamasina tamin’ity taona ity. Vokany dia nahitana fitomboana 04,90% ny taham-pahafahana raha noharina ny taona lasa, satria 37,96% izany tamin’ity taona ity raha tsy nisy afa-tsy 33,06% izany ny taona 2017. Tamin’ireo mpiadina niisa 27.446 nanalana ireo tsy tonga an-jatony dia ny 10.899 no afaka soa aman-tsara ho an’ny bakalorea ankapobeny. Raha ho an’ny bakalorea teknika sy teknolojika kosa dia nahatratra 42,99% izany ho an’ny voalohany, raha 61,84% izany ho an’ny faharoa. Ny angom-baovao teo anivon’ireo mpampianatra nitsara ny fanadinan’ny mpianatra no nahalalana fa ireo teo amin’ny sokajy A2 no tena nanaratsy ny voka-panadinana, na teo aza ny fitomboan’ny isan-jatony afaka bakalorea izao; satria maro tamin’ireo mpiadina A2 no tsy vonona niatrika ny fanadinana mihitsy noho ny maro tamin’izy ireo nanatitra taratasy fotsy tsy nisy valiny nandritra ny fanadinana. Ny matematika sy tantara – jeografia ary ny teo amin’ny siansa ny fiainana sy ny tany no tena nitrangan’izany. Saingy tamin’ity bakalorea 2018 ity dia nofoanana ny naoty fanintsanana, “zero”, nefa izao mbola ratsy izao ihany ny vokatra na nisy fiakarana tamin’ny isan-jato aza ny taham-pahafahana. Raha omaly maraina no vita ny fanapahana ny naoty, ny alina vao nivoaka ny valin’ny fanadinana noho ny fandaminana tsy maintsy atao nisorohana ny fahadisoana.
Malala Didier