- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireRN7 : Valo no naratra

RN7 : Valo no naratra

Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ireo naratra

Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena fahafito. Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina omaly no nivadika ny fiara mpitatitra (taxi-brousse) izay mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa. Teo Ambalamanakana no nitranga ny loza ary naratra mafy ny mpandeha miisa valo tao anatin’ny fiara. Noentina haingana tany amin’ny hopitaly Fianarantsoa izy ireo mba ho fanavotana ny ainy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary mba hahazoana fanazavàna momba ity tranga lozam-pifamoivoizana ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

  1. Hafainganam-pandeha izay hita isan’andro amin’iny RN7 indrindra fa ireo taxi-brousse, izay ny ankamaroan’ireo mpitondra taxi-brousse dia tsy dia maro ny mahay ny code de la route, satria fony izy receveur dia ny mpamily no mampianatra azy hitondra fiara. Miampy izany koa ny tsy fanaovana contrôle technique, ao ny plaquette de frein izay efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony, ny kodiarana izay efa tokony ho soloina… Firy amin’ireo chauffeur taxi-be na taxi-brousse no nandalo auto-école eny fa na ireo chauffeur poids lourds ? Tsy maintsy hiafara amin’izao rehefa vidiana ilay permis.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici