Manahy mafy ireo mpampiasa ny lalana mampitohy an’i Vangaindrano sy Manambondro (RN12A) amin’nyny haratsin’io lalana io. Ekena fa misy tokoa ny fanamboarana atao any an-toerana amin’izao fotoana izao saingy hita fa mitarazoka ny asa, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanan’ny zanaka am-pielezan’ny faritra Manambondro eto Antananarivo, Rajaonarison Guy Bréchard. Efa ela no natomboka io asa fanamboarana io. Mahagaga anefa, hoy izy, raha sendra nandalo tany an-toerana ny tenany fa toa tsy kasihan’ilay orinasa manao ity lalana ity mihitsy ireo faritra tena ratsy. Isan’izany ny ao Maroroy sy Ampasy, tsy lavitra ny fivilian-dalàna mankany Sandravinany. Amin’izao fotoana izao, tsy afa- mandeha amin’io lalana io intsony raha tsy fiara vaventy tsy mataho-dalana (6X6). Ny fotoam-pahavaratra anefa manakaiky ka azo eritreretina ny hampitoka-monina tanteraka iny faritra iny. Ankehitriny dia tsy misy fiara fitateram-bahoaka ara-dalàna mandeha intsony any an-toerana. Koa manaitra ny tompon’andraikitra mahefa ity mpitarika fikambanana ity, mba hijery akaiky io raharaha io fa mijaly loatra ny mponina any an-toerana.
T.M.