- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Mbola tsy milamina, mifampitazan-davitra ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana

Vangaindrano : Mbola tsy milamina, mifampitazan-davitra ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana

Efa tonga any an-toerana ireo zandary avy aty an-drenivohitra, avy ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena na ny Fign, natao hanampy ireo efa any an-toerana, hiaro ny toby sy ny mety ho fanimbana isan-karazany indray, raha sanatria ka  misy izany. An-jatony mahery araka izany ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Etsy an-danin’izay kosa anefa, fokonolona an’arivony avy amina kaominina 18 any an-toerana, mpiray dina, no toa efa mivonombonona sy tsy hanaiky hilefitra ny amin’ny tokony hanantanterahana ny dina. Dina izay raha tsorina, araka ny fampitam-baovao azo hatrany, dia mizotra any amin’ny hoe, maso solon’ny maso ary aina solon’ny aina. Efa mikatona avokoa, nanomboka ny alatsinainy niantombohan’ny savorovoro  ireo mpivarotra sy ireo birao isan-karazany tany an-toerana. Toa efa miandriandry izay zavatra hiseho avokoa ny rehetra, izay mety hiafara amin’ny rà mandriaka tokoa. Saingy, araka ny fampitam-baovao hatrany dia efa azo lazaina fa milamidamin-dratsy ny any an-toerana nanomboka afak’omaly teo. Eny fa na dia teo aza ny fisian’ny sakan-dalana nataon’ireo fokonolona tao Lopary, toerana izay niavian’ilay tovovavy namoy ny ainy sy ny fidinana an-dalambe nataon’ireo mponina omaly. Efa samy nanaiky nipetraka an-dabatatra boribory avokoa mantsy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, nahitàna ireo Olo-be isan-karazany avy any an-toerana ary ireo tompon’andraiki-panjakana sivily sy miaramila. Nitohy omaly ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, mahakasika ity resaka fitakiana olona voarohirohy ho namono olona hatao fitsaram-bahoaka ity. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy nipika aloha ny resaka nifanaovan’izy ireo, izay inoana fa hisian’ny marimaritra iraisana, hialàna amin’izay fahatongavana amin’ny fifandonana izay. Ao anatin’izany rehetra izany anefa, dia mbola mitohy ny fanadihadiana atao amin’ireto olona voarohirohy, izay azo lazaina fa fototry ny savorovoro, ireto. Ireto farany, raha ny fantatra, dia mbola voatazona ao amin’ny biraon’ny zandary ao Vangaindrano hatrany ary, re fa hatolotra ny Fampanoavana ato ho ato.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici