- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVangaindrano : Mpangalatra taolam-paty maty voatifitra

Vangaindrano : Mpangalatra taolam-paty maty voatifitra

Miisa efatra izy ireo no tsy afa-manohy intsony ity asa ratsy ity rehefa avy nifanandrina tamin’ny zandary, omaly maraina tao Vangaindrano. Ny iray tamin’izy ireo kosa no tafaporitsaka. Izy ireo, izay olon-dratsy hikoizana amin’ny asa ratsy any an-toerana. Tao anatin’izay dia taolam-paty telo amin’ny telo gony teo no tra-tehaka tany amin’izy ireo. Nokasain’izy ireo hitadiavana mpividy ireto taolambalo ireto, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary tany an-toerana.

Nisesisesy ny halatra taolam-paty sy vaky fasana tao ho ao izay, tany amin’iny distrikan’i Vangaindrano iny, raha ny angom-baovao voaray. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia namolavola paik’ady ny vondro-tobim-paritra hiadina amin’izany asa ratsy izany. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo fokonolona ka izao nitondra vokatra izao. Omaly, maraina tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo mantsy no nahazo vaovao izy ireo fa misy dimy lahy milonjehitra gony feno taolana, mitady mpividy teo amin’ny sampanan-dalana mihazo ny kaominina Soamanova. Nidina avy hatrany teny an-toerana voalaza izy ireo ary mbola indreo tokoa ireo dimy lahy sy ireo gony. Vao nahatazana ireo zandary anefa ireto olon-dratsy, avy hatrany dia niezaka ny nanohitra ny anankiroa : nitoraka antsy ary saika haka ny basin’ireo mpitandro filaminana. Ny an’ireto farany anefa no tonga aloha ka voatifitra avy hatrany ireto farany. Nitsoaka kosa ireo telo. Nandeha ny fifanenjehana. Nisy ny fampitandremana kanefa vao maika nilefa izy ireo. Voatifitra tamin’izany ny roa, tafatsoaka ny iray. Taloh’ny nialàn’ny iray tamin’izy ireo aina, hoy ny vaovao dia afaka nilaza ny iray fa vao avy nalain’izy ireo ny sabotsy alina teo, tao amin’ny fasan’olona tao Soaserana, kaominina Lopary ireto taolam-paty ireto. Ary olona avy any ihany koa ireto olon-dratsy namoy ny ainy ireto. Nomena ny fokonolona tany an-toerana moa ny razana taorian’ny fizahan’ireo tompon’andraikitra. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ilay tafatsoaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici