Olona enina voarohirohy amin’ny raharaha vono olona niseho tao Vangaindrano no tazonina vonjimaika ao Farafangana mandram-pahavita ny famotorana azy ireo. Noraisina izao fepetra izao, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zandary any an-toerana, mba ialana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka toy izay efa niseho tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy. Zava-doza tokoa mantsy ny hitazonana ireto olona ireto. Ahiahiana ho izy ireo no tompon’antoka tamin’ny nahafaty ilay Ramatoa hita faty efa nosavoritahan’ny alika tao anaty kirihitra ny Alarobia lasa teo tao amin’ny tanàna atao hoe Ampasy. Araka ny vaovao, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity Ramatoa ity. Nofatorana izy ary tsy teo intsony toy ny notapahana tamin’ny zava-maranitra ny nonony ilany. Tany amin’ireto olona enina ireto no niantefan’ny ahiahy noho ity Ramatoa nilaza fa hametraka fitoriana an’ireto olona noho ny resaka vaki-trano andro vitsy nialoha ny nahafaty azy izao. Nisy namaky ny tranon’ity Ramatoa ity ka ireto olona ireto izay havany ihany ny sasany no ahiahiany fa nahavita izany. Tsy vitan’izay fa araka ny fizahana dia heverina fa efa tamin’ny Alatsinainy mialoha ny nahitana ny razana no nahafaty ity vehivavy ity. Ny marainan’io Alatsinainy io anefa, nisy nahita nivoaka vao maraina be ireto olona enina ireto. Fivoahana maraina izay tsy fantatra mazava ny antony ka izay no nanamafy ny ahiahy. Andrasana noho izany ny fivoaran’ity raharaha ity.
T.M.