- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVaovao tapatapany

Vaovao tapatapany

#-Nosy-Varika : Tantsaha telolahy mpamboly lavanila novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Teo am-piambenana ny voly lavanilany izy ireo no nisy namono tamin’ny fomba nahatsiravina, nandritra ny fanafihan-jiolahy, ny alin’ny sabotsy lasa teo, Ambodisahaha Sahafary, ka nipotsaka tsinay mihitsy ny iray, raha notetehin tamin’ny zava-naranitra tapa-tongotra sy tanana ny faharoa, hoy ny vaovao.

#-Fianarantsoa : lehilahy iray no voahitsaky ny fiarabe « semi-remorque », nipotsaka atidoha. Omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany, no nitranga ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ity, tao Ankazondrano, teo amin’ny toerana atsimokelin’ny tobim-piantsonan’ny fiara zotra nasionaly (Stationnement Atsimo), amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Nandriaka ny rà, ary maty teo ho eo ny niharam-boina, ary dia nipotsaka niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany nohosehin’ny kodiaran’ilay kamio. Raha ny tati-baovao voaray, tonga naka ny razana teny an-toerana ny mpiasan’ny BMH, ary nanokatra avy hatrany fanadihadiana kosa ny mpitandro filaminana.

#-Sambava : Fatin-dehilahy voatifitra nihosin-drà, hita teo amin’ny tokontany malalaky ny EPP Antanifotsy. Hatairana ny an’ireo mponina manodidina an’ity sekolim-panjakana ity raha nahita faty nitsirara tamin’ny tany, omaly naraina. Nahitana ratra noho ny tifitra ny vatany, ary izay no tombanana ho nahafaty azy. Tsy nisy nahafantatra an’ity lehilahy novonoina tamin’ny fomba nahatsiravina ity ny rehetra nandalo nizaha ny razana, ka mipetraka ny ahiahy. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny, ka ho fantatra miandalana eo ny tohiny sy ny momba ity olona hita faty ity, raha ny tati-baovao azo avy any an-toerana.

Nangonin’i Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici