#-Morondava : Trano 9 kila forehitry ny afo. Vokatry ny firehetana trano mifanila sivy, afak’omaly alina, tao Morondava-Centre. Raha ny fanazavana azo, dia afo nandrahoana sakafon-kisoa navela irery tao an-trano no niitatra tamin’ ireo trano sivy nifanila taminy ka niteraka ny loza, ary tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra mitentina an-tapitrisan’ny maro, fa lasa lavenona may hotohoton’ny afo. Fianakaviana mahery ny 30, lasa traboina tsy fidiny tamin’ ity hain-trano ity. Noho ny trano mifanety sy ny lalana tapina dia tsy afaka niditra namono ny afo ny mpamonjy voina, hoy ny vaovao.
#-Melaky : Ombin’ny kaoperativa “ Mada Omby “ 100 mahery, lasan’ny dahalo. Malaso an-jatony nitam-piadiana, ka nisy tamin’ ireo dahalo nitondra basy “Kalach” nanafika ny ombin’ny kaoperativa Mada Omby, ny harivan’ny alakamisy teo tamin’ny 6 ora, tao Horombato Melaky, ka nanjavona norobain’ny dahalo tamin’izany ny omby zato mahery, noroahina teny an-dàlana, izay nambenana mpitandro filaminana vitsivitsy. Raha ny tati-baovao voaray farany avy tamin’ny kaoperativa Mada Omby, dia mbola tsy hita ireo omby voaroba hatramin’izao. Manahy noho izany ny tompon’omby, fa misy firaisana tsikombakomba amin’ny olona ambony ity halatr’omby ity, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Eric Manitrisa