#-Amboasary Atsimo : Roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka tao Tsivory. Noho ny firongatry ny asa ratsy amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, dia tsy afa-maina izay jiolahy tratra. Roa lahy nahiahiana ho dahalo hanafika tanàna no voasambotra, ka maty tsy tra-drano notetitetehin’ny olona ny 11 mey teo. Tsy nisy alaharo fa niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ireto roa lahy voatondro molotra, hoy ny vaovao voaray.
#-Famonoana Ampanjaka tao Farafangana : Olona 8 naiditra am-ponja vonjimaika ao Fianarantsoa. Tafakatra valo amin’izao ireo olona voarohirohy naiditra am-ponja vonjimaika any Fianarantsoa mahakasika ny raharaha fitsaram-bahoaka, ka nahafaty Ampanjaka antsoina hoe : Tata Philbert tany Vohilena Farafangana. Raha ny vaovao voaray, dia mbola tsy milamina tanteraka ny raharaha any an-toerana, ka nisy omaly ny fidinana ifotony nataon’ny Vaomiera manokana momba ny fandriampahalemana izay ivondronan’ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana (OMC) nandamina ireo vahoaka.
#-Vohémar: Tafakatra 1000 ariary ny kapoakan’ny vary. Nampitolagaga ny maro ny fidangan’ny vidim-bary tany Vohémar, ny faran’ny herinandro lasa teo, satria tafakatra hatrany amin’ny arivo ariary ny iray kapoaka amin’ny fotsim-bary, ary mbola nifampitadiavana ka zara raha nahitana izany teny an-tsena. Raha ny tati-baovao azo farany omaly, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia efa nidina kely hatramin’ny 800 Ariary ny vidiny.
Nangonin’ i Eric Manitrisa