- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversVAOVAO TAPATAPANY

VAOVAO TAPATAPANY

#-Mahabo – Fianakaviana iray avy nitety tsena navadiky ny fiara : 1 maty ary 5 naratra mafy. Afak’ omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora, dia nitrangana lozam-pifamoivoizana namono olona niseho indray tany amin’ny RN 35, 10Km tsy hidirana ny tanànan’ i Mahabo. Vokatry ny fahatapahan’ny “direction”, dia fiara iray avy nitety tsena tany Befotaka no niharan-doza tamin’io fotoana io, ka mpandeha iray no maty tsy tra-drano teo ho eo, dimy hafa naratra mafy, izay mbola manaraka fitsaboana ankehitriny. Telo amin’ireo niharan-doza no mbola miady amin’ny fahafateasana amin’izao, ary ahiana ny ain’izy ireo, raha ny tati-baovao azo farany. Marihina fa fianakaviana iray ireto tra-doza ireto.

#-Ambodivona : Vehivavy iray sahirana ara-pivelomana nohitsahin’ny fiara, ka potika tanteraka ny tongony. Omaly naraina no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity, tetsy Ambodivona. Nitsoaka kosa ilay fiara nahavanon-doza, ary tsy voaray ny laharana. Ny tena nahonena, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso, dia tsy mba nisy fiara nijanona mihitsy nihantra nanolo-tena hitondra an’ity ramatoa niharan-doza tany amin’ny hopitaly, fa vehivavy iray sendra nahalala azy no nibaby sy nitondra azy haingana hitady toeram-pitsaboana akaiky, satria potika tanteraka ny tongony voahosin’ny fiara.

#-Maroantsetra : Zazalahy mpianatra amina sekoly tsy miankina iray, maty tampoka teo am-panaovana adina EPS Bacc. Efa teo am-pahatongavana tamin’ny fifaninanana hazakazaka nataony ity tovolahy ity no nitolefika tampoka torana, ka rehefa nentina novonjena haingana teny amin’ny hopitaly, dia indrisy fa efa tsy nisy aina intsony. Omaly naraina, tokony ho tany amin’ny sivy ora tany ho any no nitranga ity tranga mahonena ity.

Nangonin’ i Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici