- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversVarotra basy : Balana kalachnikov 140 sarona tamina ramatoa iray

Varotra basy : Balana kalachnikov 140 sarona tamina ramatoa iray

Taorian’ny nisamborana olona telo, mpitandro filaminana amperinasa ny roa, tratra nivarotra basy, fantatra izao fa nisy ramatoa iray nahatratrarana balana Kalachnikov miisa hatrany amin’ny 140 teny Anosipatrana. Tsy izany ihany fa mbola nisy balana MAS 36 miisa 20 koa tany aminy.

Nandeha haingana tokoa ity raharaha ity. Rehefa voasambotra teny Namontana ireo telo lahy taorianan’ny vela-pandrika nataon’ny polisin’ny SAG, dia nanonondro vehivavy iray izay nolazainy fa nanome azy ireo ilay basy nitadiavana mpividy. Eny Anosipatrana ilay ramatoa no mipetraka. Avy hatrany dia naleha teny amin’ny trano voatondro. Olona valo nivory no hita tao. Tamin’io fotoana io anefa, tsy tao ilay voalaza fa nanome ny basy. Nanitrikitrika kosa ilay nitondra ny basy fa tao amin’io trano io mihitsy no nakany ilay fitaovam-piadiana. Nosavaina ny trano ka tamin’izany no nahitana vodina basy kalachnikov roa sy kojakoja maro fanamboarana basy tao ambany fandriana. Tamin’io fotoana io no nahitana tao anaty poketrana vehivavy iray anisan’ny mpivory ireo bala marobe voalaza etsy ambony. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa rehefa avy namangy ny rahavaviny migadra eny Antanimora izy dia nitenenan’ity farany hoe, mbola misy bala maro ao amin’ilay trano ka alaivo ary ario. Vadin’ilay mpanamboatra basy izy io. Ilay vehivavy tompon’ny trano nivoriana indray nanambara fa vinatolahiny ilay mpanamboatra basy tratra teny Anosipatrana tamin’ny volana aogositra lasa teo. Ireo olona enina izay niara-nivory tamin-dry zareo kosa dia samy nilaza fa tsy mahalala na inona na inona momba ireo fitaovam-piadina tratra.

Efa nosavaina koa ny tranon’ireo telolahy nivarotra basy ka tratra tamin’izany ny balana kalachnikov miia 18 sy balana poleta iray tao amin’ny tranon’ny iray. Nolazainy fa balan’ny basiny tamin’ny krizy 2009 ireo nefa tsy naveriny itsony.

Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici