- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVarotra basy : Miaramilan’ny RFI, nidoboka eny Antanimora

Varotra basy : Miaramilan’ny RFI, nidoboka eny Antanimora

Omaly no natolotra ny fampanoavana izy, niaraka tamin’ny olona telo izay  niray tsikombakomba taminy. Nidoboka am-ponja eny Antanimora avokoa izy ireo. Ny iray voalohany, dia miaramila mitondra ny galona « sergent-chef » eo anivon’ny RFI etsy Ivato, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana ny sakelika fahefatra eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava. Ny faharoa kosa dia gadra nitsoaka teny Tsiafahy. Ny ambiny dia sivily avokoa, mpanera raha ny marimarina kokoa. Toy izao ny zava-nitranga : ny 3 aogositra teo dia nisy olona tsara sitra-po izay nanome vaovao ny BC4 momba ny fisian’ny olona mpivarotra basy. Natao avokoa ny vela-pandrika rehetra ary teo no nahafahana nanao fotoana tamin’ny mpivarotra. Niainga teny Ivato ary teny Ankazomanga « Vassacos » no tontosa ny fotoana. Efa feno pôlisin’ny BC4 teo an-toerana, izay nanao fanamiana sivily. Nisy tokoa ny varotra basy, saingy raha vao nahita ny lehiben’ny BC4 ny iray tamin’ireo olon-dratsy dia nitsoaka. Raikitra ny fisamborana. Sarona teo ny lehilahy efatra. Ny fahadimy kosa dia tafatsoaka, kanefa tany aminy ny basy izay hamidy. Rehefa natao ny fanamarinana rehetra dia nivoaka fa miaramila eo anivon’ny RFI etsy Ivato ny iray ary mitondra ny galona izay voalaza etsy ambony. Manomboka mitombina tanteraka ny ahiahy ankehitriny momba ny fiparitahan’ny basy eto Andrenivohitra, avy amin’ny fahatrarana ity mpitandro ny filaminana ity. Eo ihany ny basy vita gasy sy ny orinasa mpanao an’izany, saingy rehefa tena zohina, ny maro amin’ireo basy dia ireo fitaovam-piadiana fampiasan’ny mpitandro ny filaminana avokoa. « Commando » izany miaramilan’ny RFI izany ary raha mitam-basy izany ka manafika dia tsy misy na inona na inona azo atao. Ilaina ho lasa lavidavitra kokoa ny fanadihadian’ny BC4; izay efa tsara ity satria manomboka mampiahiahy ity fanafihana sesilany eny Ambohibao, Talamaty sy Ivato ity. Andrasana tanteraka ny fahasahian’ny mpanao fanadihadiana satria matetika dia tampina ny daomy raha vao fantatra fa mpitandro ny filaminana « commando » no tompon’antoka. Deraina anefa ny fahasahian’ny BC4 nisambotra sy nampidoboka am-ponja hatreto.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici