- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversVarotra finday “Tecno” hosoka : Nidoboka am-ponja indray ilay Sinoa efa tratra teny...

Varotra finday “Tecno” hosoka : Nidoboka am-ponja indray ilay Sinoa efa tratra teny Behoririka

Herinandro vitsy izay no efa nivoaka tamin’ny gazety ny nahasamborana ilay teratany Sinoa iray nivarotra telefaoninana marika “Tecno” hosoka. Araka ny fantatra dia telefaonina miisa 3000 arivo tsy tena izy no tratra tamin’ity Sinoa ity izay vokatry ny fitoriana nataon’ny tompona orinasa manana alalana hivarotra izany marika izany eto Madagasikara. Rehefa notsaraina teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany teo Anosy anefa ity raharaha ity dia voaheloka higadra enim-bolana sazy mihantona ity Sinoa ity. Tsy nitsahatra teo anefa ny raharaha ka fantatra izao fa nampidirina am-ponja vonjimaika indray ity farany ny Alatsinainy teo noho ny fitoriana napetraky ny orinasa izay tena mpamokatra ity marika ity any Chine. Tao anatin’izany fitoriana izany no niampagan’ny mpitory fa nanao fisolokiana avo lenta sy fivadiam-pitokisana ary hosoka isan-karazany ity Sinoa ity. Enjehina ihany koa izy fa miasa eto Madagasikara nandritry ny taona maro nefa dia tsy manana “visa de séjour” akory. Heno anefa izao fa nanao fanohanana io fampidirana am-ponja azy io izy. Voalaza fa efa mitady izay fomba rehetra hahatanteraka izany ny mpiaro azy. Manahy noho izany ny mpitory ny amin’ny mety hiafaran’ity raharaha ity ka miantso ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fitsarana mba hanaramaso izany akaiky mba tsy hisian’ny maty manota.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici