- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVary lo ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina : Misy mibizina mamoaka, polisy no...

Vary lo ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina : Misy mibizina mamoaka, polisy no mpanamora ny fitaterana azy

Efa namoahan’ny filohan’ny fitsarana didim-pitsarana ireto kaontenera 20 feno vary lo fa hodorana ny herinandro nivalona iny, saingy notohanan’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana izany didy izany, ka tsy raikitra ny fandorana ilay vary efa telo taona nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambo, satria tsy nalain’ny tompony izay efa tsy hita tao anatin’izany fotoana izay. Hagagana anefa ny an’ireo zandary fa misy mamoaka an-tsokosoko noho ny tambajotra henjana be eo anivon’ny ladoany sy ny seranan-tsambo ary ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Toamasina, dia tafavoaka ny seranan-tsambo izany kaontenera misy ireo vary lo hodorana miandry valin’ny fanohanana izany. Teo am-pamoahana ireo vary tao anaty kaontenera iray tao amin’ny lalam-baovao Tanambao V ampidirina tao anaty trano lasa magazay iray no nahatraran’ny zandary ambodiomby ireto vary efa lo kasaina hamidy eny an-tsena eto amintsika noho izao olana ara-bary misy izao. Nandray ny andraikiny nanageja ilay trano natao magazay tao Tanambao V ny zandary, avy hatrany koa dia nohazonina vonjy maika eo anivon’ny tobin’ny zandary eto Toamasina ireo olona rehetra tratra nandritra izao fibizinana sy fangalarana vary efa lo tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izao, isan’izany ilay polisy tsy nanao fanamiana nanara-dia ilay fiara vaventy nitondra azy mba tsy hisy hanakana; efa misokatra rahateo ny fanadiadiana lalina eo anivon’ny zandary ahalalana ireo rehetra mifaningotra amin’izao raharaha “famosaviana” ny malagasy izao. Ankoatra izay, dia fantatra ihany koa izao fa mampitarazoka ny raharaha an’ireo teratany Pakistanais telo lahy, dia ny tatitra tsy ampy porofo sy feno kitoatoa nataon’ny minisiteran’ny varotra, izay nanaovan’ny fampanoavana fanamarihana ka naverina eny amin’ny talem-paritry ny varotra, mba tsy hisian’ny fanomezan-tsiny ho an’ny fitsarana indray amin’ny didy horaisiny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici