mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversVary simba eto Toamasina : Tratra indray ireo vary 35 gony saika alefa...

Vary simba eto Toamasina : Tratra indray ireo vary 35 gony saika alefa any Tolagnaro

Misy olona dia ny hamosavy ny Malagasy mihintsy no tanjony eo amin’ny fiainana, satria taorian’ireo vary simba tratra tany Mahajanga sy ilay tratra tao Tanandava farany teo, dia tratra koa ny talata alina nifoha ny alarobia 10 janoary teo tao anaty sambo kely mpitety an’i Madagasikara ireo vary 35 gony saika hahondrana ho an’i Tolagnaro hamidy. Araka ny fanazavana avy amin’ny zandary nahatratra izao trafika na vary simba izao, dia vary 30 taonina hana tera-tany “Indo-pakistanais” no kasaina alefa any Tolagnaro io, saingy ny 35 gony aloha no tratra, ka eo am-panaraha-maso ireo vary ambiny mbola tsy tratra ny zandary Toamasina amin’izao. Voalaza fa mahery fofona ity vary simba nokasaina alefa any Tolagnaro ity araka ny tatitry ny zandary. Voalaza koa fa ny tompon’andraikitry ny seranana sy ilay sambo nokasaina hitondrana azy no nampandre ny zandarin’ny seranan-tsambo sy ny fadintseranana, ka izao tratra izao ilay vary simba. Nandray fepetra ny fadintseranana sy ny zandary ka tsy nahetsika ilay sambo mialohan’ny famotorana atao araka ny vaovao voaray. Andrasana ny didy mivoaka amin’ny famotehana ireto vary simba ireto. Tsy mandefitra amin’ny famosaviana ny malagasy toy izao ny zandarimariam-pirenena, ka vonona hatrany hiaro ny vahoaka; nefa nanentana ireo zandary mba ho mailo ny vahoaka amin’ny zava-misy fiparitahan’ny vary simba tahaka izao, ka ampandre ny mpitandro filaminana raha mahita izany na mpiara-miasa amintsika amin’ny fampandrosoana aza ireo mpandraharaha ireo. Nomarihan’ny zandary hatrany fa sahia mitoroka raha mahita zavatra tahaka izao fa lasa manamafy ny kolikoly eto amintsika ny fisian-javatra tahaka izao. Ankoatra izany, tamin’ilay vary simba tratra tao Tanandava iny dia miandry ny fanonona ny anaran’ireo tompo-marika tamin’iny ny tonia mpampanoa lalana sy ny malagasy amin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici