- Publicité -
mercredi, octobre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVatoaratra nirefotra : Nandoro trano 18 tafo

Vatoaratra nirefotra : Nandoro trano 18 tafo

Trano miisa 18 no may tanteraka, tsy nisy zavatra tafavoaka. Tao Lavanono, Fokontany Ankijabe, Kaominina Fanambana, Distrikan’i Vohemar, ny sabotsy teo no nitrangan’izany. Niparitaka haingana ny afo ary nandoro ny trano teo amin’ny manodidina. Tsy nisy entana avotra tamin’ireo trano niharan’ny loza vokatry ny firehetana izay nahazo vahana haingana be. Mbola tombanana ny sandan’ny fatiantoka, saingy mazava fa mafy ny vokatra aterak’ity hain-trano ity amin’ireo fianakaviana traboina. Mampametra-panontaniana ihany koa ity tranga ity, indrindra amin’izao fotoana izao izay mirona hatrany amin’ny fampiasana angovo avy amin’ny herinaratra ny tokantrano maro. Mitombo ny fampiasana batterie, panneaux solaires, onduleurs ary fitaovana elektrika isan-karazany, indrindra any amin’ireo toerana mbola tsy ampy na tsy azo antoka ny famatsiana herinaratra. Lafo anefa matetika ny saran’ny fiantsoana teknisiana matihanina. Vokatr’izany, misy ireo olona sahy mametraka sy mampifandray samirery ny fitaovany, na dia tsy manana ny fahaizana ara-teknika ilaina aza. Indraindray aza dia tsy manaraka ny fenitra tokony harahina ny fametrahana, indrindra eo amin’ny tariby, ny fiarovana amin’ny fihoaram-pefy, ny disjoncteur, ny batterie ary ny fifandraisana amin’ireo fitaovana hafa. Azo heverina, noho izany, fa mety misy ifandraisany amin’ny fametrahana tsy manara-penitra na fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny tranga toy izao. Tsy tokony hifarana amin’ny fanamelohana avy hatrany anefa izany, satria mbola ilaina ny fanadihadiana ara-teknika mba hamantarana marina ny antony nahatonga ilay batterie hipoaka sy ny niandohan’ny afo. Tsy vao voalohany ihany koa no ahenoana tranga misy batterie mipoaka na mirehitra, indrindra amin’ireo rafitra herin’aratra ampiasaina amin’ny tokantrano. Mampitombo ny ahiahy izany ary tokony hampahatsiahy ny mpampiasa rehetra fa tsy azo atao ambanin-javatra ny fiarovana rehefa mametraka na mampiasa fitaovana mitahiry herinaratra, ny herinaratra izay manamora ny fiainana saingy mitaky teknika maro ny fisitrahana azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici