- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversVatomandry : Delegasiona mpanao haiady voatafika tao anaty hotely

Vatomandry : Delegasiona mpanao haiady voatafika tao anaty hotely

Nisy namaky ny alin’ny zoma 28 aprily teo ny hotely Batax natorian’ny delegasiona mpanao haiady niatrika fiofanana tao Vatomandry. Very tamin’izany ny vola 1 400 000 ariary sy ny entana vitsivitsy. Fa ny tena nahavariana ireto niharam-boina dia ny fomba fisehon’ity vaky trano ity. Toy ny vahiny rehetra tonga, notarihan’ny mpiasa namonjy ny efitrano handriany izy ireo. Efa alina rahateo ny andro ka tsy nisalasala ary nanidy avy hatrany ny varavarana sy natory. Akory anefa ny hagagan’izy ireo tamin’ny 1 ora maraina fa niparitaka eran’ny trano ny entana sy ny antontan-taratasy rehetra tao an-trano. Teo vao samy nanamarina ny entany avy ka nahatsikaritra fa avy teo am-baravaran-kely no niditra ny mpangalatra ary tena nanam-potoana mihitsy izy nanao ny asa ratsiny.

Manahy noho izany ireto niharan’ny halatra fa mety ho efa tetika nomanina mialoha ity fanafihana ity, ka natao fanahy iniana tsy nahidy ilay varavaran-kely. Voalaza mantsy fa mitranga matetika ao Vatomandry ny toy izao. Fantatra fa efa nisy tarika mpilalao sarimihetsika nivahiny tany an-toerana niharan’ny toy izao, roa volana lasa izay.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici