- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversVavatenina : Ady mivady : novonoin-dreniny ny zanany roa taona

Vavatenina : Ady mivady : novonoin-dreniny ny zanany roa taona

Habibiana tanteraka ny vitan’ity renim-pianakaviana iray tao amin’ny tanàna iray any amin’iny distrika Vavantenina iny. Izy ihany mantsy no nahavita nandatsak’aina ny zanany lahikely vao roa taona monja. Izany dia noho ny fifandirana teo amin’izy mivady.

Ny sabotsy lasa teo no nitrangan’ity zava-doza ity, tao amin’ny fokontany Sazomena, ao amin’ny kaominina Sahatavy. Ny olona teo an-tanàna no nampandre haingana ny zandary tany an-toerana rehefa nihamafy ny adin’ireto  mpivady tao amin’ity tokantrano iray. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo tokoa mantsy, dia nisy feon-jaza nihiakiaka fatratra ary avy eo nangina tampoka. Tamin’io fotoana io ihany koa no tonga ny zandary avy ao amin’ny « poste avancé » ao Sahatavy ary nijery ny zava-nisy. Ilay tsy manan-tsiny efa nitsitra teo am-pandriana no hitan’izy ireo. Tsy nisy resaka teo fa avy hatrany dia nosamborin’ireo mpitandro filaminana ary nentina avy hatrany tsy misy hatak’andro ity renim-pianakaviana namoa-doza ity. Izy rahateo nanaiky tsara, fa izy no nahavita namono ity menaky ny ainy. Hatreto, dia tsy fantatra izay tena anton’ny adin’izy mivady ireto, ka nahatonga ity ramatoa ity hamono ahafaty ny zanak’izy ireo. Ny fanadihadiana ataon’ireo zandary any an-toerana ihany angamba no ahafantarana ny marina mahakasika ity tranga ity. Marihana, fa noho ny tahotry ny mety ho fisian’ny korontana na fitsaram-bahoaka, dia nafindra any Vavatenina ny fandraisana an-tànana ny famotorana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici