Miasa tsy mijanona amin’ny fitaterana vokatra avy any amin’ireo tantsaha ireo mpitatitra sy ireo mpanangom-bokatra, ka vokatra izay dia betsaka ny faharerahana ho azy ireny indrindra ny eo amin’ny resaka torimaso ka mampidi-doza. Izay indrindra ity tranga niseho tao Vohilengo Vavatenina faritra analanjirofo ny marain’ny sabotsy 25 novambra tokony tamin’ny 07ora maraina teo. Fiara Toyota Cabstar iray mantsy no nifaoka zazalahy vao 12 taona teo an-tsisin-dalana vokatry ny faharerahan’ny mpamily noho ny resaka tsy fahampian’ny torimasony, taorian’izay dia nidona tamina vody hazo ilay fiara. Tapatapaka ny vatana sy ny tongotra ilay zazalahy 12 taona, ka maty tsy tra-drano izy. Raha ny angom-baovao natao tamin’ireo mpitandro ny filaminana ao Vavatenina nisahana ny raharaha, dia ny zoma teo hariva no niala tao Vavatenina nanatitra lodsia teto Toamasina ity fiara ity ary tonga teto Toamasina tokony ho ny misasak’alina; tamin’ny 02ora maraina vao vita ny fanalana ireo lodsia tao anaty fiara dia niverina tany Vavatenina indray haka lodsia ka izao tra-dozan’ny tsy fahampiana torimaso izao n niafarany. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha, nanaiky ny niantoka ny lany rehetra tamin’izao loza niteraka faty olona izao koa ny mpamily ilay fiara, koa ho hita eo ny tohiny.
Malala Didier