- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversVavatenina - Fanafihan-jiolahy : Vola 200 tapitrisa ariary sy volamena 5kg azon’ireo...

Vavatenina – Fanafihan-jiolahy : Vola 200 tapitrisa ariary sy volamena 5kg azon’ireo jiolahy, olona roa voatifitra

Ny sabotsy teo tokony tamin’ny 7ora sy sasany alina, dia nitrangana fanafihan-jiolahy nitam-basy mahery vaika, tao amin’ny Tanàna antsoina hoe Miarinarivon’i Vavatenina. Raha ny vaovao nampitain’ireo mponina any an-toerana izay nohamafisin’ireo mpitandro ny filaminana tao Vavatenina tampon-tanana, dia  12 lahy tsy nisaron-tava akory ireto jiolahy ireto, ka basy “calibre 12” no nentin’izy ireo nampitahorana sy nandrahonana ireo olona notafihany nandritra izany.

Mpivarotra telo be izao no lasibatra nandritra izany, ireto mpivarotra izay manao asan’ny mpanangom-bokatra ihany koa ho fanampiana ireo tantsaha any an-toerana, dia tao amin’ingahy Narcisse sy Théogène ary ity mpivarotra fanafodim-biby sy fambolena ireto voatafika ireto. Raha ny fanazavana avy any an-toerana ihany, dia tao amin’ingahy Narcisse no niatombohan’ny fanafihana izay nahatonga ity lehilahy ity sy ny mpanampiny tao an-trano namaly, ka tsy nisalasala nitifitra azy ireo ireto jiolahy izay namparatra azy ireo mafy. Niala tao izy 12 lahy dia nifindra tao amin’ingahy Théogène indray tsy namaly ny tao an-trano ka naka izay nilainy izy ireo, dia nifindra tao amin’ilay mpivarotra fanafodim-biby sy fambolena indray namarana izany. Raha ny fanazavana hatrany dia mitotaly 200 tapitrisa ariary teo ny vola lasan’ireo andian-jiolahy ireto; ary tao anatin’izay dia nisy volamena 05kgs ihany lasan’izy ireo nandritra izany, satria nisy tamin’ireo voatafika, tsy nahazoana fanazavana hoe iza, no mpitrandraka sy mpividy volamena noho ny fisian’ilay kariera na volamena ao Miaraniravo n’i  Vavatenina.

Vao nahazo ny nilainy araka ny angom-baovao nataony ireto  jiolahy 12 ireto, dia lasa sady taitra akory. Manao ny fikarohana ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ao Vavatenina amin’ny fanarahan-dia samy hafa, saingy tsy nisy vokany izany. Ireo olona roa naratra voatifitra kosa dia manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitalin’i Vavatenina hatramin’ny sabotsy alina teo.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici