- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina : Jiolahy telo matin’ny fitsaram-bahoaka

Vavatenina : Jiolahy telo matin’ny fitsaram-bahoaka

Jiolahy telo no namoy ny ainy rehefa niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Miarinarivo Vavatenina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra dia nanafika sy nitifitra  mpandraharaha iray tany an-toerana ireto  olon-dratsy ireto. Ity mpandraharaha ity, izay mbola miady amin’ny fahafatesana, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nifanome tanana ireo fokonolona sy ny mpitandro filaminana tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy. Ny alahady lasa teo dia nisy nahatsikaritra tao amin’ny kaominina Maromitety ny iray tamin’ireo mpanafika. Raikitra avy hatrany fifanenjahana niharo fifampitifirana teo amin’ity farany sy ireo mpanenjika, izay nahitana zandary sy fokonolona. Na dia niaraka tamin’ny basy aza anefa ity farany dia tsy nahaleo ny firaisan-kinan’ireo mponina. Voasambotra ihany nony farany ary dia tsy namelan’ireo fokonolona nentin-katezerana loatra raha tsy namoy ny ainy. Nitohy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy taorian’izay. Tratra tany amin’ny 22 kilaometatra tsy hiditra an’i Vavatenina indray ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Ary dia niharan’ny fitsaram-bahoaka toa ilay namany tetsy aloha hatrany. Vono sy daroka ary niafara hatramin’ny fahatesan’izy ireo mihitsy izany. Raha ny fantatra dia mbola misy naman’ireto olon-dratsy ireto miisa sivy mandehandeha any ary eo an-dalam-pikarohana azy ireo fatratra ireo fokonolona vonton-katezerana sy ireo mpitandro filaminana. Tsiahivina fa vola mitentina 200 tapitrisa ariary eo ho eo, miaraka amin’ny volamena dimy kilao any ho any no lasan’ireto olon-dratsy ireto tamin’ny fanafihana ity mpandraharaha ity tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici