- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversVehivavy mpanendaka mpianatra : Nadoboka avy hatrany eny Antanimora

Vehivavy mpanendaka mpianatra : Nadoboka avy hatrany eny Antanimora

Nampikaikaika sy nampitairana ireo mpianatra maro tao amin’ny sekoly tsy miankina iray teny amin’iny faritra Itaosy, raha ity ramatoa ity, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Efa mpianatra maromaro no voasoloky, ary tsy vitan’izay anefa, mbola mampihorohoro mihitsy amin’ny zava-maranitra ity vehivavy ity, mba hanomezan’ilay mpianatra izay zavatra tadiaviny eny amin’iny. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia hain’ity ramatoa ity mihitsy ny miresaka sy mandresy lahatra ireto ankizy mpianatra ireto. Firavaka sandoka no entiny sy omeny ireto farany, raha ny vaovao hatrany ho takalon’ny finday na zavatra sarobidy any amin’iny izy ireo. Mbola izy ihany avy eo, rehefa manaiky ny fifanakalozana ilay lasibatra no mitondra ity farany amin’ny toerana somary mangingina. Mivoaka amin’izay ny zava-maranitra sy ny fandrahonana isan-karazany, mba hanomezana ireo zavatra sarobidy rehetra any amin’izany ankizy izany. Mazava ho azy fa raiki-tahotra ireto farany ary manome. Miteraka fampihorohoroana amin’ireo mpianatra eny an-toerana ity toe-javatra ity ary tsy vitsy ihany koa ny fitarainana azon’ny pôlisy. Antony nahatonga ireto farany nametraka vela-pandrika hisamborana an’izany ramatoa tsy valahara izany. Ny sabotsy 17 mey lasa teo  iny ity farany no tratra, ary mbola hita tany aminy ilay antsy fampihorohoroana ireo lasibatra. Natolotra ny Fampanoavana ny herinandro teo ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

Efa tsy mifidy tokontany filalaovana intsony mihitsy ireo mpanao ratsy amin’izao. Ny azo atao mila mailo mandrakariva, indrindra ho an’ireo ray aman-dreny izay mandefa ny zanany irery an-tsekoly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici