- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbolosy-Tsaratanàna : Vehivavy roa nalain'ny jiolahy an-keriny

Ambolosy-Tsaratanàna : Vehivavy roa nalain’ny jiolahy an-keriny

Nirefodrefotra tsy nifandrenesana poa-basy nandritra ny fakana an-keriny nataon’ireo jiolahy nirongo fiadiana hoentina handemena ny olona, tao amin’ny tanànan’Ambolosy, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, disitrikan’i Tsaratanàna, aty amin’ny faritra Betsiboka ny alina Alahady faha-05 volana Febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora mahery 50 minitra tany ho any no nisehoan’izany. Raha ny fampitam-bavaova voarainay avy any an-toerana hatrany dia tsy nisy alaharo ireo malaso vao nigadona teo amin’ny toerana voalaza etsy ambony, fa niditra amboletra tao anatin’ny tranon’olona roa samy hafa, hanaovana fakana an-keriny, ka vehivavy miisa roa no nalain’izy ireo. Ny iray vao tanora erotrerony 17 taona monja no mpiantra ao amin’ny Ceg Ambohidronono, ny iray kosa efa manambady aman-janaka, ireo no lasibatry ny asa fakana an-keriny nataony jiolahy any amin’ny tanànan’i Ambolosy. Ny angom-baovao voaray ihany koa no nahalala, fa efa nisy nahatsikaritra 24 ora talohan’io ireo andian-dahalo am-polony, izay lavidavitra ny toerana nisehoany tranga, ary tamin’izany no efa nisy olona tsy fantatra nanao fampitahorana, fa hisy haka an-keriny ny Rain’ilay Zaza mpiantra io. Nampilaza ny manam-pahefana sy ny mpitandro ny filaminana ireo olona nahare ny feo niely teo amin’ny manodidina. Taorian’izay no nilaza ny handray ny andraikiny mpitandro ny filaminana, kanjo izao ny zava-nisy sy niseho. Marihana fa mitohy hatrany fanarahan-dia ataony Zandary sy ny vatan-dehilahy manoloana izao fakana an-keriny izao. Mbola tsy nahenoana vaovao kosa makasika ny sadam-bola hokasainy dahalo halaina amin’ireo tompokavana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici