- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVetaveta tamin’ny alalan’ny aterineto : Olona valo nosamborina teny Namontana

Vetaveta tamin’ny alalan’ny aterineto : Olona valo nosamborina teny Namontana

Mpanera mpivaro-tena roa, lehilahy sy vehivavy, no nosamborin’ny zandary avy amin’ny ao Sampana fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana ny alakamisy teo, tetsy Namontana, niampy vehivavy enina. Raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo tompon’andraikitra dia faneràna tovovavy hivaro-tena amin’ny alalan’ny aterineto no anenjehana ireto olona roa ireto. Ny zava-nisy : nisy ny loharanom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana fa misy olona manangona vehivavy hiasa hanodina horonantsary eny Namontana eny. Ary vehivavy ihany no tadiavin’izy ireo, izay zavatra nampiahiahy tanteraka. Rehefa nisy ny fanadihadiana natao dia fantatra fa hanodina horonantsary mamoafady amin’ny alalan’ny « webcam » ny antony niantsoana ireo vehivavy hiasa. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany izy ireo ary nisy ny fidinana teny an-toerana, taorian’ny alalàna nomena ireto mpanao fanadihadiana, nisava ilay trano voatondro. Tratra tao an-toerana moa ny lehilahy sy vehivavy izay voalaza fa tompon’ilay trano. Ankoatra izay anefa dia nahitàna vehivavy maromaro (miisa enina), teo anoloana solosaina tao anatin’io trano io. « Miboridana izy ireo ary manao fihetsika mamoafady (erotique) eo ry zareo».  Nogiazana avokoa moa ireto fitaovana tao amin’io trano, izay nahitàna solosaina maromaro sy kojakojana samihafa, anisan’ny filahiana hazo anakiroa, fampiasan’ireo vehivavy. Nosamborina avokoa moa izy ireo ary nentina nanaovana fanadihadiana. Ny alatsinainy ho avy izao no fantatra fa hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

Efa mivoatra manaraka ny teknolojia tokoa ny fivarotan-tena amin’izao, ary manaraka izany ihany koa ireo olona mpanera mpivaro-tena. Tsiahivina fa melohin’ny lalàna eto amintsika ny faneràna olona hivaro-tena na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona, araka ny voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana, ao amin’ny andininy faha-334, andalana fahefatra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici