- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVinaninkarena Antsirabe : Rangahy voarohirohy ho namono nahafaty ny vady aman-janany

Vinaninkarena Antsirabe : Rangahy voarohirohy ho namono nahafaty ny vady aman-janany

Renim-pianakaviana iray miaraka amin’ny zanany vao folo taona monja, no maty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina, ny  sabotsy lasa teo, tao Vinaninkarena Antsirabe II.

Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ampandrotrarana kaominina
Vinaninkarena  no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity. Raha ny fanazavana avy amin’ny loharanom-baovao, dia tonga tao amin’ny kaominina ny zoma maraina  ilay rangahy tompom-bady  nangataka fanazavana ny amin’ny fomba fananganan-jaza sy ny antontan-taratasy ilaina rehetra raha hiroso amin’izany. Nilaza ny hanangan-jaza mantsy ilay rangahy raha ny fantatra. Ny marain’ny asabotsy teo anefa, tsy hay marina izay tena nitranga, fa niantso vonjy ilay raim-pianakaviana  ary nilaza  fa notafihan’ny jiolahy ny tokantranony. Nambarany fa novonoin’ireo jiolahy ny  vady aman-janany ary tsy fantany izay misy azy. Teo no ho eo ihany dia nanao ny fikarohana ny fokonolona ka hita tao amina dobo tsy dia mifanalavitra loatra amin’ny tranony ihany  ilay zanany vavy kely, saingy efa tsy misy aina intsony. Ilay ramatoa kosa vatana feno ratra no nahitana azy, ny hatony no novelesina mafy tamin-javatra raha ny fanazavana avy amin’ny loharanom-baovao . Niahiahy ny fokonolona raha nahita sy nandre ny zava-niseho tao amin’ity fianakaviana ity. Malaza ratsy amin’ny fitondran-tena eo amin’ny fokonolona rahateo ilay raim-piakaviana raha ny fanazavana hatrany, fa vehivavy roa misy rohim-pihavanana akaiky no efa niarahany ary matetika. Ilay faharoa aza moa raha ny fanazavana hatrany dia efa tambazany vola sy norahonany mihitsy hiala ny tanàna mba tsy hisian’ny olana eo amin’ny fiarahamonina.

Ankoatra izay, voalaza fa hita tao amin’ny tokantranony ny laona iray nisy volo sy rà izay tombanan’ny olona fa namonoana ilay renim-pianakaviana. Izany rehetra izany no niheveran’ny olona, fa mety ilay rangahy vadiny ihany no namono ny vady aman-janany ka nahatezitra ny fokonolana ary saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka mihitsy. Soa fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nandamina ny vahoaka sy nisambotra ilay rangahy. Fantatra fa tazomina ao amin’ny zandary ity rangahy ity amin’izao hohadihadiana, ary marihina fa rangahy be mpahalala ihany izy ity raha eto Antsirabe sy ny manodidina no resahina.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici