Nanome fanazavana mikasika ny zava-nitranga tamin’ny fahafatesan’ity voafonja voatifitry ny zandary tao Anivorano Atsinanana , distrikan’i Brickaville , kaominina Fanasana efa tapa-bolana lasa, ny lehiben’ny fonja ao Toamasina Atoa Ralay Christian. Raha ny fanazavany dia tena voafonja tokoa ity voatifitra antsoina hoe “Doris”, ary voafonja efa namoahan’ny fitsarana sazy ka manao asa mitatitra kitay fandrahoana ireo mangahazo maina sakafon’ny voafonja no asany.
Efa ny volana jona ny taona lasa izy ity raha nirahina naka kitay no tsy niverina intsony. Raha natao ny fikarohana tao Toamasina, dia tsy hita ka namoahan’ny fonja fikarohana sy filazana fitsoahana ny fonja laharana 57-DGAP/DRAP/MC/TOA/CIP-15 ny 15 jolay 2015. Tao anatin’izay dia nanaovan’ny lehiben’ny fonja tatitra avokoa ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana tao Toamasina amin’ny fikarohana sy fisamborana azy, saingy tsy hita mihitsy i Doris. Ny 12 janoary teo anefa dia nahazo antso tamin’ny lehiben’ny distrika ny lehiben’ny fonja Toamasina, fa misy mahita ao amin’ny kaominin’i Fanasana Brickaville i Doris ka nahatonga an’Atoa Ralay Christian sy mpiasan’ny fonja efatra nankany Brickaville mihitsy hisambotra azy. Nahazo vaovao mikasika ny ho fisamborana an-janany anefa ny rain’i Doris ka izy no nampitsoaka ny zanany tao Fanasana tsy nahitan’ny mpandraharaha ny fonja azy. Vokatr’ izay, dia niantso fiaraha-miasa tamin’ny zandary tao Anivorano atsinanana ny fandraharahana ny fonja, ka ny iraka nataon’izy ireo araka ny baikon’ny lehiben’ny distrika, no nahitan’izy ireo an’i Doris tsy lavitra ny kaominin’i Fanasana, ka izao izy voatifitra izao noho izy nitsoaka tamin’ny fisamborana azy. Mbola nisy ihany koa ny fisamborana an-drainy nampitsoaka azy izay voarohirohy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny fitsoahana voafonja, izay handalo fitsarana amin’ity herinandro ity.
Malala Didier