- Publicité -
AccueilFaits-DiversVoageja ao Maurice : Vehivavy Malagasy roa voatazona

Voageja ao Maurice : Vehivavy Malagasy roa voatazona

Tsy vao androany fa efa ela ka miverina izy amin’izao, ny fanondranana olona antsokosoko ao amin’ny nosy Maurice. Araka ny vaovao dia vehivavy Malagasy roa avy eto Toamasina no niharana fanondranana antsokosoko, ka nofitahina izy ireo nandritra izany tamina fifanarahana araka asa. Raha tamin’ny ankapobeny dia nazava ny lalana nivoahana teto an-tanindrazana, satria nahavita ara-dalana ny pasipaoro izy ireo ny volana aprily lasa teo, ka ny asa ho atao dia fandihizana amin’ireny mpanakanto mpanao fampisehoana ireny. Nazava ny resaka tamin’ny fifanarahana araka asa fa 15.000 ropias ny karama isaky ny fampisehoana atao. Hatreto dia intelo nanao fampisehoana izy ireo fa tsy misy afa-tsy 6.000 ropias no mba azon’izy ireo, ka taty aoriana dia tsy avelan’ilay mpikarakara fampisehoana fa ahidy an-trano sy natao hirakiraka an-tokantrano izy ireo, izay nivadika mpanampy an-trano toy ireny andevo   izy ireo sy mihoatra izany izy ireo. Araka ny vaovao koa dia nogiazana ny pasipaoron’izy ireo nandritra izany, ka kapoka sy vono no mianjady amin’izy ireo ao anatin’izay. Nisy teratany Malagasy tao Maurice no nitondra ny raharaha teny amin’ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Voasambotra ilay mampiasa azy ireo ka nahiditra am-ponja, saingy nandoa vola tamin’izany ka mamita ny saziny ivelan’ny fonja. Ankilan’izany dia hampagain’ny fitondrana ao Maurice ho niditra an-keriny tao amin’ity olona mampiasa azy ity izy roa vavy ireto ; vokatra izany nandalo famotorana izy ireo ary andrasana ny fiakarana fampanoavana. Koa manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy  izy roa vavy sy ny fianakaviany eto an-toerana mba hijery akaiky ny raharaha. Raha ny vaovao voaray dia kasain’ny mpampiasa sy nanafatra azy ireo ho atao mpivarotena izy roa vavy ireto, izay 25 taona sy 27 taona.

Malala Didier  

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici