- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversVohipeno : Voaroba ny hotely nisy mpizahatany

Vohipeno : Voaroba ny hotely nisy mpizahatany

Ny zoma teo no nitranga ny fandrobana. Tao anatin’ny alina no nidiran’ny jiolahy ny hotely lehibe nisy mpizaha tany maro. Lasa tao avokoa ny entana rehetra. Na ny mpisera dia aza dia very koa ny vola sy ny taratasy rehetra teny amin’izy ireo. Tsy nisy naheno ny nidiran’ny jiolahy mihitsy ny olona tao amin’ilay toerana. Efa maraina nifoha ny olona izay vao nahatsikaritra fa efa babangoana avokoa ny entana. Tsy nisy navelan’ireo olon-dratsy. Na ny taratasin’ny vazaha, toa ny pasipaoro, aza dia lasa. Torak’izany koa ny taratasin’ny fiara izay niantoka ny fitaterana. Soa anefa fa mba narian’ireo teny an-dàlana izany ary hitan’ny olona. Mba nisento tokana ireo mpizahatany satria samy tafaverina tamin’izy ireo ihany ny pasipaorony. Ny ambiny kosa toy ny vola sy ny fitaovana dia nanjavona tanteraka. Mampametra-panontaniana ihany ny fomba nahatafidiran’ireo olon-dratsy tao anaty hotely kanefa misy mpiambina. Ny alehan’ny sain’ny olona dia ny fampiasan’ireo « fonoka » ka tsy nandrenesan’ny rehetra na inona na inona. Raha novonoin’ireo izany ny olona dia tena maty tao anaty torimaso. Nisy ny fitoriana napetraky ny mpizaha tany ary mandeha ny fikarohana ireo mpanao ratsy.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici