- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversVoarohirohy tamin’ny halatra fiara : Nadoboka am-ponja ireo mpivady, nahazo fahafahana ny...

Voarohirohy tamin’ny halatra fiara : Nadoboka am-ponja ireo mpivady, nahazo fahafahana ny ambiny

Raha fiara iray manontolo no very teny amin’iny faritra Talatamaty iny dia efa « pièces détachées » sy karaokam-by sisa no hita teny Masindray.

Tra-tehaka tamin’izany, ary tompon’antoka mihitsy tao ambadiky ny fangalarana ilay fiara, ny olona roa mpivady. Nisy ihany koa ireo olona nividy ireo kojakojan’ny fiara samihafa, izay voarohirohy tao anatin’izany. Niisa dimy izy ireo. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny herinandro teo ireto olona voasambotra noho ny resaka halatra fiara sy fividianana entana halatra teo ary nanaovana fanadihadiana lalina teny an-toerana. Fantatra tamin’izany ary fa ny roa, ireo mpivady, tena atidoha nikotrika ilay fangalarana no nadoboka am-ponja avy hatrany. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo olona dimy izay voalaza fa « mecanicien » nandrava ilay fiara sy ireo olona nividy ireo kojakoja tamin’izany.

Raha tsiahivina ny tranga dia very ny voalohandohan’ny volana jolay teo ny fiara 4×4 iray marika « Hyundai ». An’ny orinasa iray teny amin’iny faritra Talatamaty iny ity fiara ity ary ny mpamily tao amin’izy ireo ihany no niketrika ny fangalarana azy. Roatokom-bolana taty aoriana dia hita ihany ilay fiara, teny amin’iny faritra Masindray iny, rehefa nafenin’ireo mpangalatra tany ary nezahina namidy tamin’ny alalan’ny kojakojany sisa, rehefa noravaravana tsy nanan’izy ireo antra. Olona fito teo no voasambotry ny zandary.

Marihana fa nilaza ho tsy nankasitraka velively ny nahazoan’ireo olona dimy, fahafahana vonjimaika moa ireo mpitory, araka ny fanazavàna azo tamin’ireo mpitandro filaminana misahana ny raharaha, ka nikasa ny hametraka fanohanana amin’izany fanapahan-kevitra izany. Ilay fiara very ka hita indray kosa, dia efa naverina tamin’ny tompony, eny fa na dia banga teo amin’ny 30 isan-jato teo aza ny maha-fiara ara-dalàna azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici