- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 9, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Voasambotra i Jalina mpaka an-keriny

Maevatanàna : Voasambotra i Jalina mpaka an-keriny

Tsy mandry andro sy alina ireo mpitandro ny filaminana manatanteraka hetsika fampadriana fahalemana ny tany na  » Opération Harato, any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna sy ilany atsimo/atsinanan’i disitrikan’i Maevatanàna iny, fa mihezaka mikaroka ireo olon-dratsy manao fanafihana mitam-piadiana sy halatr’omby, indrindra ny fakana an-keriny izay miseho etsy sy eroa an-kehitriny, any ka lehilahy iray malaza amin’ny fakana an-keriny no Voasambotra. Raha hojerena sy hotantarana tokoa ny zava-nitranga dia nitrangana fakana an-keriny olona telo narahina famonoana takalon’aina iray tao an-drenivohitr’ i Kaominina ambanivohitra Morafenoboana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny voalohany volana Novambra taona 2023 lasa teo iny. Taorian’ny roapolo andro nitazomana sy nandoavan’ny fianakaviana onitra, dia navotsotra tsy naninona ireo takalon’aina roa ambiny. Nandritra ny fanadihadiana natao sy fikarohana ny navanon-doza sy mety ho mpiray tsikombakomba dia tratran’ireo Zandary mivondrona ao anatin’ny  » Opération Harato, » ao amin’ny kaominina ambanivohitra Manakana any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna ilay lehilahy antsoina JEAN Lina, fantatra amin’ny fiantso hoe: Jalina, izay teraka tamin’ny faha 16 Janoary taona 2006, ka ny herinandro lasa teo izy no voasambotra, tany amin’ny disitrika voalaza etsy ambony.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici