
Tsy mitazam-potsiny na mipetrapetraka mana-bekibo ny mpitandro ny filaminana, manoloana ny vono olona nisy, tany amin’ny tanàna atao hoe: Antsohihy/Bedretra, fokontany Belavenona, any amin’ny kaominina ambanivohitra Maria, aty amin’ny distrikan’i Maevatanàna, fa mikaroka andro aman’alina ireo olona nahavanon-doza. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia ny andron’ny 25 oktobra taona 2024 teo no nahazo antso fanairana ny Zandary, dia nidina ifotony, teny amin’ny toerana voalaza. Rehefa nigadona ny mpitandro ny filaminana dia nitantara sy nijiro vavolombelona nanatri-maso, fa olona any an-tampon-tanànan’i Maria no tompon’antoka tamin’ny famonoana. Tamin’izay no efa Voasambotry ny Zandary ny roalahy tompon’antoka tamin’ny famonoana, raha mbola karaohina tsy misy hatak’andro kosa i Bakay naman’izy ireo. Efa mandeha moa ny fanadihadiana lalina makasika an’ity raharaha vono olona ity.
Ratantely