- Publicité SW45 -
dimanche, novembre 10, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireTsaratanàna tapany atsimo : Voasambotry ny Zandary ny lehilahy iray mpiray tsikombakomba...

Tsaratanàna tapany atsimo : Voasambotry ny Zandary ny lehilahy iray mpiray tsikombakomba tamin’ny fakana an-keriny niseho tany Ambodikininina

Tsy mitsahatra ny manao fikarohana  ireo olon-dratsy ny Zandary manoloana ny fisian’ny trangana fakana an-keriny, izay mahazo vahana any amin’ny tapany atsimon’ny  disitrikan’i Tsaratanàna, tao anatin’ny dimy volana lasa, tamin’ity taona 2024 ity. Ny faraparan’ny herinandro teo tokoa no nampanfantatra ny Zandary ao amin’ny Poste fixe Manakana, ireo mpitandro ny filaminana manao hetsika fampandriana fahalemana ny tany, amin’ny alalan’ny «  Opération Harato 2, » amin’ny fisian’olona iray heverina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fakana an-keriny niseho tany Ambodikininina, ny faha 17 May 2024 teo iny. Tsy niandry ela ny Zandary miasa ao Manakana, rehefa nahare sy nahazo aantso an-taribia tamin’ireo mpitandro ny filaminana namany, fa tonga dia niroso tamin’ny fisamborana an’ilay lehilahy antsoina hoe : Ratoatiza Lale, fantatra amin’ny fiantso hoe : Toky, eo amin’ny 20 taoan eo, izay voatonona tamin’ilay raharaha fankana an-keriny niseho tao amin’ny tanàna voalaza etsy ambony. Taorian’izay no nanaovana sarika am-pandriana, vao maraina mangiran-dratsy tao an-tranony, teny amin’ny fokontan’Ambohidray, kaominina ambanivohitra Manakana/Vonimbohitra, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna ilay lehilahy voatondra mpiray tsikombakomba amin’ireo Jiolahy mpaka an-keriny. Raha ny vaovao voaray farany hatrany, dia notazomina any amin’ny biraon’ny Zandary any Manakana amin’izao fotoana izao, ilay olona voasambotra, miandry ny hitondrana ny raharaha sy ny vatan-tenany, makany amin’ny tanàna atao hoe : Marotsipoy. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia tsara hatrany ny mampahafantatra, fa  kaominina samy hafa, any amin’ny tapany atsimon’i  Tsaratanàna ny kaominina ambanivohitra ana-kiroa, izay voalaza etsy aloha, hoan’ny tanànan’i  Manakana sy Manakana/Vonimbohitra.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici