- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManidibatana-Maevatanàna : Voasambotry ny zandary ny roa lahy namono nitifitra an'i Tovokely

Manidibatana-Maevatanàna : Voasambotry ny zandary ny roa lahy namono nitifitra an’i Tovokely

Lehilahy iray atao hoe Tovokely, maty notofirin’ i Ngafara intelo tamin’ny basim-borona ny fahavalon’ny volana may 2024 teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina, tao Antafia Malama, tao andrefan’ny tanànan’ i Manidibatana, fokontany Maromavo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. I Safidy sy Lebandy no niaraka tamin’i Ngafara tamin’io vono olona io, sady nalevin’izy ireo an-kiafina i Tovokely rehefa maty. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena aty an-toerana, dia ny faha-15 may 2024, tokony tamin’ny dimy ora hariva no nampandre ny lehiben’ny zandary ao amin’ny poste fixe Mahazomà ny olona tsara sitra-po iray, fa nisy olona maty nafenina tao anaty lavaka tany amin’ny tanàna voalaza etsy ambony. Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana avy ao Mahazomà sy ao kaominina ambanivohitra Maria, niaraka tamin’ireo mambra dinam-pokonolona nidina nalaky tany amin’ny toerana voatondro. Rehefa tonga sy nahazo ny vaovao makasika an’ireo olona telo nahavita namono an’i Tovokely izy ireo, dia nisamborina avy hatrany ny nahavanon-doza, ka i Safidy sy Lebandy fantatra amin’ny anarana hoe Ferlina no tonga dia nanokafana fanadihadiana. Niaiky izy roa lahy fa naman’i Ngafara tamin’ny famonoana ny niharam-boina, ka noraisim-potsiny, sady nanoro ny toerana nanafenana ny razana, ny faha 17 may 2024 teo, sady hita faty tao anaty lavaka 8cm i Tovokely. Taorian’izay no nandray fepetra ireo mpitandro ny filaminana, ka nomena ny fianakaviany ny razana, rehefa vita ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Notazomina natao  » garde à vue » ao Mahazomà ho hanokafana fanadihadiana i Safidy sy Lebandy, raha mbola mitohy kosa ny fikarohana an’i Ngafara ataon’ny zandary any an-toerana amin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici