Nisahotaka ny tao Vohemar omaly maraina. Nirohotra nihazo ny biraon’ny Jirama ny vahoaka mba haneho ny tsy fahafaliany amin’ny delestazy lavareny tsy mety voavaha any an-toerana. Araka ny vaovao, leo ny vahoaka satria tato anatin’ny roa volana dia zara raha mandeha ny jiro. Misy tanàna sasany aza, zara raha mahazo izany indray mandeha isan-kerinandro. Nanapa-kevitra ary ny vahoaka rehefa avy nivory fa hanidy ny birao sy ny toby famokarana herinaratry ny Jirama, ny maraina tamin’ny 7 ora.
Rehefa nahita ny vahoaka nirohotra hiditra ao amin’ny birao ny mpiasa dia nitsoaka. Nofantsihin’ny olona avy eo ny birao. Nikoropaka noho izany ny manam-pahefana tany an-toerana, izay notarihan’ny lehiben’ny distrika Randrianaivo John sy ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana ka nirotsaka an-tsehatra nanelanelana mba tsy hitaran’ity hetsika ity any amin’ny doro trano sy ny fandrobana.
Nisy araka izany ny fifanazavana, ka nandritra izany no nilazan’ny teo anivon’ny Jirama fa misy motera simba ka efa amboarina izany ary ho vita tsy ho ela, saingy tsy maintsy mbola ho tapaka adiny roa hatrany ny jiro amin’ny fotoana mahabe mampiasa izany. Tsy nanaiky izany ny vahoaka, ary nitaky ny fialan’ny Talen’ny Jirama Vohémar, Ndrianavy Hyacinthe.
Niezaka nanelanelana hatrany ny lehiben’ny distrika ka nanome fe-potoana ny Jirama hamahana ny olana. Koa niantso ny Vahoaka ny tenany mba ho tony sy hanam-paharetana. Rahefa izany dia afaka nivoha ihany ireo birao voafantsika ka nitohy ny asan’ny orinasa.
Nahagaga ny mponina anefa fa taorian’izay hetsika fanairana izay, ny mitatao vovonana ihany dia niverina nirehitra ny jiro. Hetsika fanairana izay tokony hanaitra sahady an’ilay Tale jeneraly vaovao, notendrena omaly tamin’ny Filankevitry ny minisitra hitantana ity orinasam-panjakana ity manomboka izao.
T.M.