- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVohemar : Gidragidra amina varotra vatosoa, olona telo nosamborina

Vohemar : Gidragidra amina varotra vatosoa, olona telo nosamborina

voh04Nisavorovoro ny tany Vohemar noho ny resaka varotra vatosoa. Ankilany ny mpivarotra, andaniny, sinoa iray mpividy.Mananika ny 65 000 000 arairy ny vola nihodina tamin’izany. Rehefa tena nozohiana anefa ny fandehan-javatra dia nahatsapa ilay mpividy, sinoa, fa voambaka ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny zandary any an-toerana. Nanao ny asany ireto farany ka rehefa vita ny fanadihadiana isan-karazany dia olona telo no nosamborina. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha, hoy ny vaovao, fa nisy ny antso natao tamin’ny telefonina mandrahona ireo rehetra tafiditra tamin’ny varotra. Naharay izany ilay mpividy. Naharay fandrahonana ihany koa ny mpitandro filaminana misahana ny famotorana.     Olona roalahy avy ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Ampondra no nilaza fa manana vatosoa iray lehibe sady tsara kalitao. Rehefa nandeha anefa ny raharaha dia toa hita fa nisy ny hosoka. Eo matetika no isehoan’ny fisandohana amin’ity raharahana vatosoa ity any an-toerana.

Remi R.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici