- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversVohemar : Mpanakan-dalana voasambotry ny zandary

Vohemar : Mpanakan-dalana voasambotry ny zandary

Andian-dahalo mpanakan-dalana tany amin’iny faritra Sava iny no ravan’ny zandary tany an-toerana, tao Ampanefena Vohémar. Araka ny fampitam-baovao azo dia fiara tsy mataho-dalana iray tany an-toerana no nataon’izy ireo lasibatra ny herinandro lasa teo, raha nandalo tao amin’ny tanana iray, tao amin’ny kaominina Fanambana, distrika Vohémar. Vola an-tapitrisany maro no lasa tamin’io fotoana io, raha ny vaovao hatrany. Nametraka fitairana avy hatrany tany amin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana moa ireo niharan’ny fanafihana. Tsy nisalasala fa nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireo zandary avy ao Ampanefena. Natao ny savahao sy ny tsongo dia ka tsy niandry ela fa ny tolakandro nisian’ny fanafihana ihany dia voasambotra ny dimy tamin’ireo nanafika. Nisy olona iray ihany kosa nosamborina, mpiray tendro amin’izy ireo sy voalaza fa nanafina sy nampiantrano ireto olon-dratsy ireto. Ny talata lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto andian-dahalo mpanakan-dalana ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici