- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversVohémar : Nisy nandroba ny TVM

Vohémar : Nisy nandroba ny TVM

Lasa ny fitaovana maromaro ilaina amin’ny asa fanaovan-gazety, toy ny “camera” miisa roa, ny solosaina sy ny fandraiketam-peo. Nikorontana ambony ambany koa ny birao. Nisy namaky ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo ny biraon’ny haino aman-jerim-panjakana (TVM sy RNM) ao Vohémar. Io birao io no mandrindra ny fandrafetana ny vaovao eraky ny faritra SAVA. Ny fitaovana tena ilaina amin’izany anefa no najifa nandritra ny fandalovan’ireo jiolahy, izay tsy mbola fantatra na ny isany na ny momba azy ireo hatreto.  Nisy avy hatrany ny fanokafana fanadihadiana nataon’ny zandary tao an-toerana mahakasika ity raharaha fandrobàna trano ity. Ankoatra ny firongatry ny asan-jiolahy dia endrika iray fanohintohinana ny fisitrahan’ny olom-pirenena ny vaovao ny tranga toa izao. Ny faritra iray manontolo izany mandra-pahazoana fitaovana vaovao, no indray tsy mahita ny vaovao mandeha amin’ny haino amanjerim-panjakana vokatr’ity fandrobàna izay hofaritan’ny fanadihadian’ny zandary na asan-jiolahy tsotra na mety misy ambadikany hafa na tsia.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici