- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVohemar : Rongony 260kg sarona sy nodorana

Vohemar : Rongony 260kg sarona sy nodorana

Mitohy hatrany ny ady ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra fa ny rongony. Fantatra ary izao fa nahatratrarana rongony milanja eo amin’ny 260 kilao eo indray no saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ampanefena, tao amin’ny fokontany Lavarojo, ao amin’ny kaominina Antsirabe Avaratra, distrika Vohemar. Araka ny fampitam-baovao azo dia tamin’iny herinandro iny ireto zava-mahadomelina ireo no tra-tehaka rehefa nahazo vaovao mari-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo ireo mpitandro filaminana. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto farany ary dia izao tra-tehaka izao tokoa ireo rongony izay nafatratra tao anaty gony niisa 30. Marihana hoy hatrany ny vaovao fa tsy nisy tratra tao an-toerana ny tompon’ireto entana ireto ka dia nogiazana avy hatrany. Nodorana teo imason’ny tompon’andraikitrim-panjakana tany an-toerana moa ireo zava-mahadomelina ireo, araka ny lalàna manankery eto amintsika. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana hitadiavana ny tompon’ireto entana ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici