- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversVohemar : Sambo rendrika, olona iray maty

Vohemar : Sambo rendrika, olona iray maty

Tsy mbola tonga teo amin’ny “ile aux prune” na “nosy Alagnana” akory dia niharam-boina ny sambo “Joby” izay saika hanatitra entana  any Vohemar, raha ny voalaza tao anatin’ny fialany teo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny 29 jolay teo. Raha ny fanazavana azo dia ny motera no nanana olana, satria maty ilay motera tena mampandeha ny sambo nefa ny motera fanavotana tsy nahatosika, ka niezaka ny hiantsona teo amin’ity “Ile aux Prunes” na “nosy Alagnana” ity izy ireo, nefa tratry ny rivotra be noho ny faharatsian’ny ranomasina, ny 29 jolay dia nafefiky ny ranomasina izy ireo ka tavela tamina tora-pasika teo amin’ity nosy kely ity. Niantso vonjy ireo tao anatin’ity sambo “Joby” ity ka navotan’ny seranan-tsambo ireo mpanamory 14 lahy raha maty noho ny zava-nitranga nandritra ny loza kosa ny iray tamin’izy ireo. Raha ny fanazavana marim-pototra voaray, dia simenitra an-jatony taonina entina ho any Vohemar no tena maro tao anatin’ilay sambo, saingy tavela ao anatiny avokoa izany ireo nefa ny sambo raha ny vaovao voaray dia efa an-dalana hilentika noho ny onja sy ny fahavakisany noho ny fidonany tamina vato sy fikisahany tamin’ny fasika ary noho ny faharatsian’ny ranomasina  sy ny andro. Ankoatra izay raha ny fanazavana azo sy ny angom-baovao natao, dia eo am-panadihadiana ny nahatonga ny loza ny tompon’andraikitra misahana izany.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici