- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVohibato : Raim-pianakaviana maty sady voaroba

Vohibato : Raim-pianakaviana maty sady voaroba

Ny alin’ny 19 novambra teo, raim-pianakaviana iray 36 taona, monina ao Antsenavao any amin’ny Distrikan’i Vohibato no maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo tao an-tranony. Rehefa nidaraboka tamin’ny tany nihosin-drà tsy nisy aina intsony ity lehilahy ity, dia mbola nampihorohoro ny iray trano ireto mpanafika sady nitaky vola. Noho ny tahotra ny ho faty, tsy nisy sahy nihetsika ny iray trano, fa nanondro kosa ny toerana misy ny vola notadiavin’ireto jiolahy, ka lasa tamin’izany ny lelavola 10 tapitrisa ariary saika hividianan’ireto fianakaviana fiara. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nandodona teo am-baravarana ireo jiolahy, ary niantso ny anaran’ity raim-pianakaviana ity, ka vantany vao namoha ny varavarany izy, tonga dia tifitra variraraka teo amin’ny tendany no nihantra taminy, ka maty tsy tra-drano ity rangahy Namela manano-tena sy kamboty roa vavy i Ratompokolahy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici